Feuille de brick au thon

946

TSAKITSAKY NA ODY AM-BAVA FO : FEUILLE DE BRICK AU THON 

Mora kely manao azy ity fa mba miova amin’ny mahazatra ihany koa

ZAVATRA ILAINA

Pate nem/sambos : Feuille de brick
Thon (amin’ny boaty)
tongolo be (mena)
Olive mainty
menaka oliva
kotomila
dipoavatra raha tiana

FIKARAKARANA AZY

Endasina amin’ny menaka oliva ny tongolo be voatetika sy ny oliva mainty ka rehefa miova loko dia arotsaka koa ny thon voatetika, avela haka tsiro kely dia vonoina ny afo (tsy asiana sira fa efa misy ny thon)
Hetezana boribory ny “Feuille de brick” dia alahatra ambony lasitra mandeha lafaoro  ary efa nasiana taratasy “papier cuisson”
asiana 1 sotro amin’ilay fangaro misy thon ary asiana kotomila sy dipoavatra raha tiana
Ampidirina anaty lafaoro  efa nafanaina mialoha amin’ny hafanana 180° ary 5-7 minitra eo dia vita. Ambenana tsara fa mora may ilay “feuille de brick”
 

Fanamarihana:
Ireo potika "feuille de brick" netezana dia ampidirina anaty lafaoro koa fa tsara be toy ny "caca pigeon"
Matetika ny mpivarotra sakafo sinoa sy vahiny no tena ahitana ny "feuille de brick" fa mety misy ihany koa eny amin'ny "supermarché"
Ao andramana ilay "galette de riz" raha tsy misy "feuille de brick" na koa ireny pate nem tsotrra amidy amin'ny pavilon 

Mazotoa 
 

 

Catégorie: