Flan à l'ananas

1091

TSINDRI-TSAKAFO na ODY AMBAVA FO : FLAN A L'ANANAS

 

Zavatra ilaina:

 

  • Pâte :

Lafarina 250 g
Dibera 125g (efa avoaka mialoha )
Atody 1
Siramamy 1 sotro kely
lalovay simika: 1sotro kely( levure chimique)

  • ny ao anatiny : 

Yaourt 3 
Atody 5
Mananasy izay tiana 

Fikarakarana azy

Amboarina aloha ny pâte izany hoe afangaro daholo ireo ilaina rehetra ireo:
lafarina, dibera , atody, siramamy ary lalovay simika, volavolaina hitambatra tsara dia avy eo apetraka kely 30 minitra

Karakaraina ny ao anatiny: 
Kapohina ny atody dia arotsaka ny siramamy izay tiana
Rehefa levona ny siramamy dia arotsaka ny yaourt
Rehefa tapitra ny fotoana nametrahana kely dia hosorana menaka ny lasitra ka velarina ao ny paty, somary goahina amin'ny sotro rovitra kely
Dia ampidirina lafaoro kely 180 °C, 10 minitra eo rehefa hita fa mahazo loko dia avoaka ka arotsaka ireo fangaro efa nokarakaraina tetsy ambony
Atao eo ambony ny mananasy somary efa voatetika
Averina anaty lafaoro amin'ny io hafanana io ihany ka tsy havoaka raha tsy mahazo loko 
Mazotoa daholo ary ee

 

Nahandro sy sarin'i Haingo Sylviane Rahelison- 22/12/17

 

Ingrédients: 
Catégorie: