Flan lavanila

1004

"FLAN" LAVANILA

Mila ronono iray litatra,
Atody 4 na 5 raha hanitatra.
Siramamy 150 girama
Ary 100g ny lafarina madama!

Mba ho manitra asiana lavanila,
Na canelle koa aza tsy maninona.
Izay fotsiny no zavatra ilaina
Ka izao atao ary aza mitaraina!

Satria ilay flan dia tsotra kely
Mora atao fa tsy sarotra velively
Na misy na tsy misy "pâte brisée"
Dia mety foana ilay izy, tsara be!

Ilay "pâte brisée" masahana aloha
Raha toa ka misy io Ramatoa,
Raha tsy misy dia aza mi-panique!
Fa mety foana io sady ahitàna fika!

ataovy anaty "moule" ilay "pâte brisée:
Tsindrony "fourchette" tsy atao loaka be,
Dia masaho kely ao anaty "four"
Aza atao may, tandremo sao matory!

Raha tsisy "pâte brisée" indray ianao
Dia dibera ahosotra @ "moule" no atao,
Ka rehefa vonona ilay tsora
Dia araraho ao moramora!

Toy izao ilay tsora voalaza teo, 
Alaivo ny lovia jobo dia ataovy ao ireo:
Atody voakapoka, siramamy, lafarina,
Dia afangaroy, izay hendriny tsy maninona.

Ny ronono kosa, ampangotrahy na taniho.
Ilay lavanila sokafy, aza hadino izay tadidio,
Dia ao anatin'ilay ronono no arotsahy
Mba hamoaka tsara ny haniny @ izay!

Dia araraho ao anatin'ilay lovia jobo,
Ho toy ny fangaro ao anatin'ny dobo,
Ilay ronona vao mafana teo,
Mba hitsonika ao daholo izy ireo.

Avy eo, ilay tahona lavanila esory,
Ny fofony no ilaina fa ts'ilay taho akory!
Dia avereno anaty vilany izy rehetra.
Afo malefaka sy 3 minitra ihany no fetra.

Rehef'izay dia araraho ao anatin'ilay moule,
Na misy na ts'hisy "pâte brisée"io ts'hitan'olona
Afaka 40 minitra dia masaka tsara! 
Dia zarazarao amin'ny dimby sy fara!

Nahandro sy tonokalon'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO
Ce 29/04/2017

Catégorie: