By Andry Rakotomavo
Flan soanambo
ODY AM-BAVA FO : FLAN SOANAMBO
Zavatra ilaina:
ho an'olona 4 :
soanambo masaka 500g
siramamy 100g
« sucre vanillé » 10g (tsy voatery)
Hanitra lavanila
ronono 125cl
dibera 50g
atody 2
Fikarakarana :
- voasana ny soanambo rehefa voadio, ary esorina ilay taolany ao afovoany ( raha masaka izy dia malemy ohatran'ny hoe efa nandrahoina) potserina amin'ny sotro rovitra ho lasa paty
- asiana siramamy sy ronono mafana, afangaro tsara
- kapohana mitokana ny dibera malemy sy atody, ary afangaro amin'ny paty soanambo avy eo.
- Alefa anaty lasitra efa voahomana. atao masakevoka (bain marie) ny fahandro azy, ary avadika ny takotra dia asiana vain'afo ihany koa.
Sakafo be vitamina sy sokay (calcium) ny soanambo koa ezahana ny mba hihinanana azy, sady mora izy a!
Mazotoa o
Nahandron'i Aina Rakotoarisoa
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire