Flan voatavo

654

TSINDRI-TSAKAFO na ODY AMBAVA FO : FLAN VOATAVO 

Zavatra ilaina: 

voatavo 500g 
ronono 500ml
atody 2 
siramamy 100g
hanitra combava
lafarina 125g 
dibera 50g

Fikarakarana

Potsehina halemy ny voatavo rehefa masaka, arotsaka ny siramamy, dia alefa ny farine voasivana, kapohana miaraka ny atody sy ny ronono ary ny dibera natsonika dia araraka anaty voatavo, aroina hifangaro tsara, arotsaka ny kikina combava
Atao anaty lasitra, silicone no tena mety fa raha tsy misy dia hosorana menaka ny lasitra dia araraka ao ny paty
Ampidirina lafaoro 200° mandritra ny 30mn
Andrasana hangatsiaka vao aroso

Mazotoa o 

Nahandron'i Anjara Fanasina, fampiharana nataon'i Aina Rakotoarisoa 
 

Catégorie: