Frittata- omelette - atody endasina

706

Efa zaraiko matetika ity sakafonay ity fa mba entina hampisehoana hoe mety foana na karazana paty hafa aza.

 

FRITTATA DI PASTA hoy ny italien, amintsika dia atody endasina na "omelette de pate" hoy ny frantsay ary eto moa dia misy fangarony

 

ZAVATRA ILAINA:

 

pate,

atody,

menaka na dibera,

fromazy voakiky

sira,

dipoavatra raha tiana

 

FIKARAKARANA AZY:

Ampangotrahana ny rano dia asiana sira ary arotsaka ny pate, rehefa masaka dia tatavanina,

Kapohina ny atody dia asiana sira kely ary araraka ny pate sy fromazy , afangaro tsara dia endasina. Mila atao maina tsara vao avadika.

 

FANAMARIHANA:

ho anay dia lanin'ny ankizy foana io na inona atao ao anatiny na inona.

azo atao "frittata de legumes" , na korzety , na baranjely , na epinards, tongolo, ovy, ny karazana pate rehetra na spaghetti io sns sns

Mazotoa indray o

Catégorie: