Fromazy - Abobo

379

Fromage fait maison 

 

Ronono lany daty indray no aroso antsika

 

Nisy ronono 1 litatra efa lany date 3 andro tato dia tsy nariako fa nanaovako fromazy, ka dia natsiro tokoa, toy ireny fromage frais ireny 

 

Zavatra ilaina:

 

- ronono 1 litatra

- sira 1 kely araka izay tiana

NB: raha ronono mbola tsara dia tsy misaraka raha tsy asiana voasary makirana, ka raha ronono 1 litatra dia voasary makirana atsasany no potserina dia atao ao, mampisaraka ny rano sy ny vaingany iny dia mitovy ihany ny resultat

Fikarakarana azy:

 

Nampangotrahana ny ronono nasiana sira (tsy misy fofona mihitsy aloha ilay izy fa toy ny ronono rehetra ihany). Rehefa akaiky mangotraka izy dia misaraka ny rano sy ventiny ka afangaro moramora ary dia vonoina ny afo dia avela hipetraka 30 min eo.

 

Tatavanina amin'ny passoire majinika na koa serviette manify mba hiala ireo ventiny, ary avela eo elaela indray mba hitsika tsara ny rano, 30min na ora 1 mihitsy, ary dia ampidirina frigo, avy eo rehefa miala tsara daholo ny rano atao amin'ny boaty izay tiana.

 

Vita izy io ary dia azo hohanina amin'ny izay tiana , nasiako menaka oliva kely ny ahy ary nosorako ny mofo mafana dia nohaniko ampifaliana,

Avy eo nanao paty koa moa dia azo asiana azy satria tena fromazy malefaka ilay izy ,

 

Misy recette maro be ato mila fromage frais ka rehefa sendra misy ronono mivadika ka tsy te hanao yaourt sns dia atao toy ity, 

 

mirary soa hatrany o

 

NB azo atao nature dia tsy asiana sira ka azo asiana siramamy koa raha atao amin'ny dessert, 
azo asiana persil ,kotomila , tongolo gasy, dipoavatra manome tsiro azy ...

 

Ingrédients: 
Catégorie: