Galette aux fruits

122

GALETTE AUX FRUITS

Ho anao ilay te-hanao dessert mafana
Aza kivy na mihanahana ;
Milaza ianao fa tsy manana four
Dia mba raiso ny zavatra atoro !

Lapoaly fotsiny ampiasaina,
Amin’izay ianao tsy mangaina !
Toy izao ary ilay recette,
Dia ho hitanao ilay dessert fa mety ;

- Kapohy ny atody roa na telo 
- Asio siramamy 2 na 3 sotro lehibe
- Mba ho manitra mamerovero,
- Ampio sucre vanillé !

- Araraho indray ny la farine
- 4 sotro lehibe tsy maninona
- Dia tapohy ronono masaka kely
- Amin’izay tsy ho maina velively !

- Ka rehefa tsara kapoka ilay fangaro
- Dia ajanony amin’izay ka atsaharo
- Hafanao indray ary ny menaka
- Kanefa aza avela hidonaka !

- Dia araraho tsara ao ilay izy
- Ny sisin-dapoaly no ataovy balise
- Aza avela hihoatra mba ho boribory 
- Amin’zay ny endriny tsy manorisory !

- Dia avadiho moramora tsy ho potika
- Raha tsy tandremanao io dia rotika ;
- Dia alaharo amin’izay ireo voankazo 
- Ary sarony tsara mba tsy ho malazo !

- Rehefa afaka fotoana vitsivitsy
- Dia esory @ afo f’aza mitsitsitsitsy
- Ka manao ahoana ny fijerinao azy ?
- Niova endrika indray ilay voankazo !!!

 

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: