Galette de pomme de terre

232

GALETTE DE POMME DE TERRE

Sady vetivety no mora atao nefa milay be
Zavatra ilaina:

ovy 0,5kg, atody 1, fecule 2sotro, kotomila, oignon 1, tongolo gasy

Fikarakarana:

Kikisana ny ovy rehefa voadio dia fiazana anaty lamba madio hiala ny ranony.

Afangaro daholo avy eo kikina ovy, fecule, atody, oignon, totona tongolo gasy, sira, kotomila notetehina madinika

Afanaina ny menaka dia alefa avadika rehefa somary manopy mena

Ny ahy tsy novolavolaiko fa nanapaka pot yaourt za dia nataoko teo ambony sotro be dia nafatratra tao ilay pate dia atao eo ambony lapoaly sady taritina moramora hidina anaty menaka no manala ilay pot notapahina dia manome endrika boribory tsara izy amin'izay,

Mazotoa daholo ary e!

de Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: 
Matériels: