Galette des rois à la frangipane 2

Portrait de Angie
1104

GALETTE DES ROIS A LA FRANGIPANE 

ZAVATRA ILAINA 

pâte feuilletées 2 ilay efa vita eto
poudre d'amande 125 g 
siramamy 125 g 
dibera malemy 125 g 
atody 2 
fève 1 (toy ny kabaro)

FIKARAKARANA AZY 

Atao aloha ilay "frangipane" : afangaro tsara anaty bol ny "poudre d'amande", siramamy , dibera ary atody
Apetraka ambony "plaque four" efa nasiana dibera na menaka na koa papier cuisson raha tiana ny "pâte feuilletée" voalohany

Araraka eo ny fangaro frangipane
Apetraka ihany koa ny fève 
Saromana ilay "pâte feuilletée" faharoa
Hidina tsara ny sisiny ary soratsoratana amin'ny lohan'antsy toy ny manao sary fa somary tsindromina kely fotsiny sisiny 4 ohatra dia iray eo ampovoany hivoahan'ny hafanana mba tsy hibotsika izy rehefa andrahoina.
Osorana tamenakatody ny tampony mba ho mena tsara rehefa masaka

FAHANDRO AZY
Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha ka tokony 20-30 minitra amin'ny maripana 200 degré (arakaraky ny lafaoro)
Azo atao tsara koa ny mampiasa lafaoro gasy, izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony. Mila jerena matetika kosa sao may

FANAMARIHANA: 
Ny crème frangipane tsy maintsy misy poudre d'amande, fa azo atao crème pâtissière ny ao anaty galette raha tsy misy na lafo loatra ary azo soloina totom-boanjo ihany koa,Aroso miaraka amin'ny kafé na dité no tsara na koa Champagne

Ampitiavana foana ny fizarana

Nahandron'i Niry Rafi 06.01.18

 

Ingrédients: 
Catégorie: