Galettes de semoule

166

GALETTES DE SEMOULE amin'ny lapoaly (ho an'olona 6)

Zavatra ilaina:
300g semoule fine na extra fine (fa ny ahy io moyen)
1/2L lait écremé ( nataoko 1/2 écremé notapohana rano natao nifanasaka)
Atody 2, noix de muscade, sel, poivre ...
persil voatetika sy kotomila voatetika (tsy nasiako eto fa tsy nanana aho)
Menaka kely hanendasana

Fikarakarana azy:

Ampangotrahy ny ronono miampy sira, poivre ary kiki-na noix de muscade.
Esory ambony afo ary arotsahy ny semoule. Aroroy tsara hifangaro mandra-pahazo ohatry ny paty marihatra.
Kapohy ny atody 2 ary arotsahy ao amin'ilay semoule teo.Aroroy.
Ataovy amin'ny plat mahitsizoro iray, lalory tsara ary ataovy eo amin'ny 1cm eo ny hateviny. Andraso ho mangatsitsiaka dia atsofohy anaty frigo adiny iray.
Avohay avy eo ary didio araka izay hitiavanao azy ( ny ahy io nataoko carré maromaro). Asio menaka 1sotro ny lapoaly dia endaso ao.Avadiho dia somary asio menaka 1sotro indray. Vita rehefa mahazo loko.

N.B : - Tsy nahazo sary teo an-dovia aho fa nofon'akoho masaka notetehana madinika nasiako épices sy nataoko be sosy voanjo no nampiarahako taminy, ary salady.
- Afaka manampy fangaro hafa (ohatra : asiana hasina tongolo gasy ilay ronono ampangotrahana mba hanome hanitra azy, sns...).
Mazotoa homana tompoko !

 

de Vero Randriam

 

Catégorie: 
Matériels: