Galety ovy

995

TSAKITSAKY - LAOKA : OVY ENDASINA - ROSTI- LATKES- GALETTE

ampifaliana hatrany no hizarana indray ny ovy nendasina : maro ny anarana hianatsoana azy ity fa araka ny fangarony no mampiova azy
rosti hoy ny aty aminay, latkes hoy ny grika , ary galette hoy ny frantsay, ovy foana hoy isika , tena tian'ny ankizy izy ity ary mora atao sady mora vidy ary ho an'ny rehetra na ny tsy mihinan-kena aza.

ZAVATRA ILAINA 

Rosti :

ovy 500g,
tongolo be 1 na 2 araka izay tiana,
atody 1,
sira,
dipoavatra ary menaka fanendasana,
(persil )
 

Latkes :

ampiana lafarina 1 na 2 sotro

FIKARAKARANA AZY:

voasana ny ovy dia sasana tsara , kikisana somary atao ilay lehibebe, fihazana tsara amin'ny tanana na lamba mba hiala ny ranony ary avela hipetraka kely 10 minitra dia averina fihazana indray, kikisana ihany koa ny tongolo be fa amin'ilay lavaka majinijinika, kapohana ny atody dia atambatra avokoa ary asiana sira sy dipoavatra kely. (raha latkes no atao dia asiana lafarina dia afangaro tsara )
hafanaina ny lapoaly rehefa mahamay dia asiana menaka ary arotsaka ny ovy 1 sotro isaky ny manao dia somary fisahana kely hanify, rehefa mena tsara ny sisiny dia avadika, vetivety dia vita fa sao may , ary apetraka ambony taratasy emballage mba hitsika ny menaka na eo ambony "essuie tout".
Azo aroso miaraka amin'ny sauce izay tiana, fa ny anay izao sauce yaourt no nampiarahana taminy : maka yaourt nature asiana sira kely sy poivre ary menaka, citron dia kapohana tsara amin'ny fouet na batteuse mandra-pahazo saosy marihitra sy malama tsara. azo asiana siramamy kely raha tiana.

FANAMARIHANA: 

azo atao tongolo lay fa tsy tongolo be ary azo ampiana karoty rapé koa raha tiana

Atao gouter na laoka ihany koa :) 

Mazotoa o

Catégorie: