Gateau aux carottes

961

ODY AM-BAVAFO na SAKAFO MARAINA : MOFOMAMY KARAOTY - GATEAU AUX CAROTTES

Be dia be ny vokatsoa azo avy aminy fihinanana azy dia mba niezaka aho nikaroka izay mety atao aminy

ZAVATRA ILAINA:

Karaoty 1kg
Atody 3lehibe na 4 kely
Lafarinina 200g
Siramamy 150g
Dibera nitsonika 60g
havozo (anis) 1/2 sotrokely (na hanitra izay tiana)
ranom-boasary makirana 1 sy hodiny voakiky (zeste)

FIKARAKARANA AZY :

- Mixer-na miaraka ny karaoty sy ranomboasary makirana ary ny kikina hodimboasary.

- Kapohana ho fotsy tsara ny atody sy siramamy

- Arotsaka anaty karaoty ny lafarina, afangaro amin'ny sotrohazo, dia arotsaka ao avy eo ny siramamy sy atody teo, atao moramora toy ny manodina génoise rehefa mampifangaro azy

- arotsaka ny dibera nitsonika, aroina.

- Atao anaty lasitra, efa nohosorana dibera sy nofafazana lafarina kely, ampidirina lafaoro 180-15minitra eo. Vita rehefa tsindronina ka tsy misy manaraka

- Avela hangatsiaka tanteraka dia azo hohanina avy hatrany na ampidirina anaty vata fampangatsiahana.

- Haingoana araka izay tiana fa eto sucre glace nafafifafy sy ranon-tsokola

Mazotoa o !

Nahandron'i Lah Randria

Catégorie: