Gateau aux pommes et à la confiture de cerises

879

MOFOMAMY PAOMA SY KAONFITIORA - "GATEAU AUX POMMES ET A LA CONFITURE DE CERISES " : (en italien:  Torta di mele e confettura di ciliegie )

ZAVATRA ILAINA :

atody 2
dibera 150g (avoaka aloha)
siramamy 100g
menaka 150 ml (1 vera latsaka kely eo )
ronono 2 vera
lafarina 300g
leviora simika 1fonosana 15g (azo ahena 1/2)
sira 2 tsongo
paoma 4 (2 ao anatiny 2 hanaingoana)
kaonfitiora "cérises" izay tiana

FIKARAKARANA AZY

- Afangaro ny lalovay sy ny lafarina dia tatavanina mba tsy hivaingambaingana dia arotsaka koa ny sira.
- tetehana efamira madinika ny paoma 2 ary ny paoma 2 kosa nosilahana 2 manaraka ny halavany ary voatetika manify dia atokana.
- kapohana ny siramamy sy dibera malemy mba hirandray tsara izay vao arotsaka ny atody dia kapohana foana mandra-pahalevony sy mandroatra fotsy
- arotsaka tsikeikely ny menaka (en filet) sady kapohana ihany
- afafifafy tsikelikely ny lafarina efa nasiana lalovay sy sira ary aroina mora amin'ny "spatule"
- arotsaka ny paoma madinika ary aroina mora ihany koa
- alefa anaty lasitra efa nasiana dibera sy nofafazana lafarina dia asiana kaonfitiora amin'ny sotro, ary farany dia haingoana amin'ireo paoma voatetika manify manarona azy (alahatra)
- Atsofoka anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C mandritry ny 40- 45 minitra. Tsatohana antsy ka rehefa tsy misy manaraka dia vita. 10 minitra tsy hahamasahany dia rarahana siramamy ny tapony mba hivolom-bolamena.
- Avela hangatsiaka dia esorina anaty lasitra
Afaka ovaovaina ny voankazo.

Andry Mamina

Catégorie: