Gateau café- vanille et chocolat

125

GATEAU CAFE-VANILLE ET CHOCOLAT!

Araka ny npanantenaiko,
Dia naveriko indray izy ity!
Y ilay olon-dalaiko
ilay M izaho indray Mami(e) !

Vanille no nanoratako azy
satria mba Saint-Valentin!
Dia sérieuse fa tsy be vazivazy,
Izy koa tsy adala fa malin!

Malaza ny vanille gasy
de luxe ka ampideraina!
Amin'izay tsy mba mangasiasy,
Sy mba miala @ mofo dipaina!

Ny recette ilay taloha ihany
fa fotsiny nampiako chocolat!
Mahatonga ilay gâteau ho volontany,
Fa avy eo moa anao ny choix!

Ny café indray io afovoany,
Nataoko anatin'ilay fo kely,
Fa @ crème au beurre ny ankamaroany
Ny fofony koa tena mamely!

Voalaza daholo izay izy telo
ka ity ary ny recette' ny crème,
Ka raha manitra mamerovero
aza hadino ny manao "j'aime"

Dibera 250 grammes
atao malemy, potehina hitsitokotoko,
Siramamy 5 sotro dia milamina
tsoniana fa tsy avela hiova loko!

Dia kapohana tsara ilay dibera

ary hararaka mora ny tsoni-tsiramamy,
Raha atao @ fouet dia mandany lera,
Fa raha batteuse dia vetivety ihany!

rehefa izay dia alefa ny café
tena atao faran'izay mahery,
Ka indroan'ny sotro lehibe
dia ampy fa tsy misy mistery!

Raha vao vita dia ahosotra @ zay,
Dia ampihaingoana ilay gâteau,
Eo moa dia anjaranao indray,
No manao izay ahatonga azy ho beau! 

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: