Gateau carotte banane

Portrait de Angie
1062

MOFOMAMY AKONDRO SY KAROTY MALEFAKA

ZAVATRA ILAINA

Atody 3
Siramamy mena 150g
lafarina 130g
“fecule de patate” 45g
Lalovay
Sira1 sotro kely
menaka 100ml
Akondro 2
Karoty 170g
voaloboka maina na sokolà na noisette

FIKARAKARANA AZY:

-hafanaina ny lafaoro 150- 175 °C
-asiana dibera na lalorina menaka ary fafazana lafarina kely ny lasitra
- kapohana miaraka ny atody sy siramamy ho fotsy tsara
- atambatra ny lafarina, lalovay, “fecule de pomme de terre”, voasivana dia arotsaka koa
- manaraka dia ny menaka izay tiana na oliva na menaka tsotra
- Arotsaka ny akondro voapotsitra sy karoty voakiky madinika
- Afangaro tsara dia arotsaka ao anaty lasitra
- farany araraka ny sokolà voapotika (azo soloina voaloboka maina na “noisette” voatoto)
- Ampidirina anaty lafaoro efa mafana mandritry ny 35-40 minitra, tsatohana antsy ka rehefa maina tsara ny antsy dia masaka

Mazotoa indray

Nahandro sy sarin'i Andry Mamina 24/09/17

Catégorie: