Gateau kit kat sy smarties

863

GATEAU KIT KAT ET SMARTIES

Raha te mba hiova indray amin’ny gateau fanao isaky ny fetin’ny ankizy dia andramo ity fa sady mora no tsara be.

ZAVATRA ILAINA:

ho an’olona 10 ity saingy olona 20 avy eo no nihinana azy

Ho an’ny lakrema Rocher:
crème liquide  200ml
nutella 400g
biscuit “gaufrette” (au fraise fa tsy nahita au noisette)
voanjo voatoto (tsy nahita noisette za dia nisy voanjo tao dia nototohina tsy natao malemy be)

ho an’ny "ganache au chocolat au lait"
crème liquide 200ml
300gr chocolat au lait
mila glacon eto hanafaingana ny fampangatsiahana azy

haingony :
11 fonosana: kit kat de 45g
9 fonosana: smarties de 35g (azo soloina M&M’s satria iny sokolà fotsiny tsy misy voanjo)

Ho an’ny "Pan di spagna au chocolat"
Lafarina 150g
siramamy 150g
atody 6
cacao 75g en poudre ilay mangidy no tsara.
lalovay fanaovana mofomamy 1 fonosana
sira 1 tsongo
tantely 1 sotro fihinanana (tsy voatery)
sokolà mainty 40g

lasitra : 24cm de diamètre 

FIKARAKARANA AZY:

Ny “pan di Spagna al cioccolato ” aloha no atao :

Hafanaina mialoha ny lafaoro 180° ity paty ity vao vita dia mila atsofoka.
Atsonika ny sokolà dia asiana tantely dia atokana.
Kapohana miaraka ny siramamy sy ny atody ary avela hiakatra tsara ka ny ahalalana hoe vita dia rehefa akarina ilay izy ka mitotona dia mijanona elaela eo aloha ilay izy vao mifandray amin’ny ambiny: antsoin’ny italiana hoe paty manoratra. (Eto dia samy manana ny fomba fanaovana azy ihany koa ao ny manasarasaka ny tamenany sy siramamy  ary tapotsiny dia kapohana misaraka dia avy eo atambatra,),
Arotsaka ao ny sokola nitsonika sy tantely dia kapohana ihany ary avela hifangaro tsara.
Afangaro daholo ny zavatra ilaina maina rehetra: cacao, lafarina, lalovay, sira dia arotsaka ary afangaro amin’ny “spatule” na sotro moramora mba tsy hampidina ilay atody indray ka avy any ambany miakatra ambony mandrapitambatra azy tsara
Rehefa vita dia araraka ao anaty lasitra “moule à maquer” efa nasiana dibera sy nofafazana lafarina,
Ampidirina lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C mandritry ny 40 minitra. Rehefa tsisy manaraka intsony amin'ny fourchette na antsy atsindrona aminy dia vita.
rehefa vita dia avoaka ary avela mangatsiaka
Mandritra izany dia karakaraina ny lakirema rehetra

Lakirema Rocher
kapohana hiakatra tsara ny “crème liquide”
rehefa vonona dia ampiana nutella ary afangaro tsara amin’ny “spatule”na sotro,
potehana ny “gauffrette” dia arotsaka ao
Arotsaka koa ny toto-boanjo ary afangaro tsara daholo dia vita.

Lakirema : ganache au chocolat au lait
hafanaina anaty vilany kely ny “crème liquide” dia arotsaka ao ny sokolà voatapatapaka, haroina foana mandrapitsonika.
Maka bol dia asiana rano mangatsiaka sy “glacon ” apetraka eo ny vilany kely mba hangatsiaka haingana.
Kapohana hiakatra avy eo ny lakirema mba ho matevina tsara dia vita.

FANAMBARANA AZY:

Ny "Pan di Spagna" no atao fototra ka zaraina telo boribory ilay izy
Apetraka ambony vilia asiana ny mofomamy ny lasitra ilay azo vahana,ka eto dia 24sm ihany dia apetraka ao ny mofomamy didiny voalohany,
araraka ny antsasaky ny lakrema Rocher dia lalorina tsara
apetraka ny mofomamy faharoa dia araraka ny ambin’ny lakrema Rocher dia lalorina tsara
Apetraka ny mofomamy fahatelo, ampidirina anaty vata fampangatsiahana aloha io 10 minitra eo mba hitambatra sy hiraikitra tsara.
Alaina indray avy eo dia esorina ilay lasitra mitazona azy, dia lalorina “ganache au chocolat” izy rehetra asiana ambiny kely ny "ganache" aloha.
Zarazaraina ny Kit kat dia alahatra manodidina ny mofomamy izay vao araraka ny ambin’ny "ganache" dia lalorina hahitsy tsara ny tampony.
Saromana “smarties” ny tampony rehetra tsy asiana mivoaka. 
Fatorana "ruban" ho anay dia matetika mavokely raha vavy ary manga raha lahy na izay loko tiana
Ampidirina vata fampangatsiahana farafahakeliny 30 minitra izay vao aroso

Ato amin'ny Vondrona Malagasy Mizara Nahandro ny sary rehetra 

Mazotoa 

Andry Mamina

Catégorie: