Gateau magique

805

ODY AM -BAVA FO na TSINDRIN - TSAKAFO :

" GATEAU MAGIQUE" - 

Zavatra ilaina :

atody 4
siramamy 150g
rano 1 sotro fihinanana
dibera 125g
lafarina 115g
ronono matimaty 1/2 L
ranon-davanila 2 sotro kely

Fikarakarana azy :

- Sarahana ny tapotsiny sy tamenany. 
- Kapohana ny tamenany sy siramamy mandra - pandroatrany fotsy.
- Arotsaka ny dibera efa natsonika sy ny hanitra lavanila.
- Arotsaka ny lafarina dia afangaro. 
- Arotsaka ny ronono matimaty dia afangaro ihany. 
- Arotsaka ilay rano ary afangaro. 
- Arotsaka ilay tapotsiny efa nokapohana hisavovona handroatra fotsy, dia afangaro ihany.
- Atao anaty lasitra amin'izay. Somary mandranoka mihitsy ilay paty fa aza taitaitra. 
- Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha, ka 150°C mandritry ny 1ora. 
- Andrasana mangatsiaka, dia avy eo ampidirina anaty vata fampangatsiahana 3ora na alina tontolo izay vao esroina anaty lasitra.

Ny idealy dia ilay "génoise" no ambony. Rehefa didina dia hita mihitsy hoe misy "trois couches" : "couche génoise / crème / flan".

Mazotoa o

nahandron'i Narindra Finaritra