Gateau mangahazo

782

MOFO MANGAHAZO

ZAVATRA ILAINA:

-MAngahazo 1kg
-siramamy izay sahaza
-siramamy 125g  (anaovana caramel ito)
-ranona voanio na “lait de coco” 400ml
- ranonm-boasary makirana 1 sotro fihinanana

 

FIKARAKARANA:
-kikiso ny mangahazo
- alefao ao ny siramamy sy ny ranona voanio , aroroy tsara
-manao tamberina na “caramel” araraho ao ilay siramamy sy ramboasary makirana dia atao amin’ny afo malefaka mandrapaha vita azy,
- rehefa vita ny caramel, dia araraho anaty lasitra efa nasiana dibera, avela mangatsiaka dia alefa ilay mangahazo voakiky sy nisy voanio ary siramamy
-alefao anaty lafaoro 180° 3mandritry ny ora iray na ihany koa bain marie, ny ahafantarana azy hoe masaka,tsatohy kely eo ampivoany dia rehefa tsy misy manaraka intsony dia masaka izy izay

Mazotoa o

Nahandron'i Murielle Rafiringa Rakotoharintsifa

Catégorie: