Gateau masira

940

TSAKITSAKY NA "GOUTER" : GATEAU SALE' - GATEAU MASIRA 

ZAVATRA ILAINA

500 gr lafarina 
250 gr. ronono matimaty 
1 vera menaka
1 “levure de biere” na lay fanaovana mofo sy pizza ireny. 
1 sotrokely sira 
6 atody
150 gr Jambon 
300 gr Fromazy 
150 gr Mortadella

FIKARAKARANA AZY:

Kapohina miaraka ny atody sy menaka vao arotsaka ny lafarina sy ronono matimaty misy “levure de biere”. Arotsaka ny charcuterie voatetika, afangaro tsara vao atao anaty  lasitra efa nasiana dibera na menaka sy  lafarina kely ( habeany 28 cm ).
Saromana lamba “coton” aloha hitombo farafahakeliny andiny 2 vao antsofoka anaty lafaoro 180 ° efa nafanaina mialoha, antsasakadiny eo eee, mandrapa menamena azy,

mazotoa homana oooo.

Nahandron'i Tiana Parlato

Catégorie: