Gaufres au coco

667

Gaufre au coco 

Zavatra ilaina: 

ronono 2 vera ,
lafarina 300g,
atody 3,
siramamy izay tiana,
voanio voakiky 50g,
dibera125g natsonika,
lalovay : " levure boulangère" 1 sotro fihinana,
sira 1 tsongo.

 

Fikarakarana azy:

Afangaro ny lafarina sy siramamy, ny voanio voakiky ary ny sira, 
Arotsaka ao avy eo ny atody sy ny dibera efa natsonika, afangaro tsara,
Lomana kely ao anaty ronono matimaty ny lalovay dia arotsaka ao amin'ny fangaro teo aloha;
Alefa tsikelikely ny ronono mandrapatonga ny paty ho malama tsara sy misy mitabaingambaina;
Avela hilona kely ny paty farafakeliny10 minitra fa na mahery aza vao maika tsara.
Rehefa izay dia endasina amin'ny "gauffrier" voahosotra menaka na dibera ary azo hohanina miaraka amin'ny kaonfitira na sokolà 

Mazotoa 

Nahandron'i Hasina Ony Mimanda Robert‎ nozarainy tao amin'ny pejy Ma.Mi.Na facebook ny 20 mai 2016 
 

Catégorie: