Gelée aux fruits

924

GELEE AUX FRUITS 

"bonbon" na vato mamy vita an-trano, izay atao amin’ny ranom-boankazo vao natao na koa novidiana vita .

ZAVATRA ILAINA:

100ml Ranom-boankazo izay tiana
gelatine 12g
Siramamy 100g
ramboasary makirana1 sotro fihinana
Siramamy atao haingony  (raha tiana)
 

FIKARAKARANA AZY:

- Atao anaty rano ny agar-agar na gelatine dia avela hitokana eo aloha
- maka vilany kely dia araraka ao ny ranomboankazo sy ny siramamy ary ny ranomboasary makirana, afangaro tsara dia atao ambony afo.
- Ampangotrahana dia vonoina ny afo.
- fihazana ilay gelatine dia arotsaka ao dia avela ho levona,
- Araraka ao anaty lasitra kely izay tiana , mety koa raha lehibe dia tetehina rehefa vita.
- Avela ao anaty vata fampangatsiahana farafahakely ora roa (2 heures)
- Asiana siramamy eo ambony vilia dia avoaka ao anaty lasitra ka rehefa hihinana mihitsy vao ampandalovina anaty siramamy raha tiana (raha aloha dia mitsonika).

FANAMARIHANA 

Ny gelatine no tena zava-dehibe amin'ity ka raha tsy tianao ny hampiasa azy satria vita amin'ny biby (henakisoa, henomby, taolana sns) dia afaka mampiasa ny agar agar izay vita amin'ny zava-maniry (algue) ny fatra kosa no tsy mitovy.

 agar-agar 1 sotro kely safo vavany =  agar-agar 2 g = vovoka na ravina gélatine 6 g (matetika ny ravina iray dia 2g)

Mazotoa o
 

Fampiharana ny nahandron'i BENEDETTA - pejy Fatto in Casa da Benedetta

Catégorie: