Genoise masakevoka

Portrait de Angie
1041

Miarahaba 

Azo atao tsara ny manao Mofomamy Masakevoka

"GENOISE AU BAIN MARIE "

ZAVATRA ILAINA : 
Atody 5
siramamy 200g
lafarina 250g
lalovay simika ½ sotrokely
Mini chocolat noir 7
dibera 25g

FIKARAKARANA AZY :

- Kapohina miaraka ny siramamy sy atody mandra-pahalevon'ny siramamy sy mahazo toy ny ribà
- alefa ao ny lafarina sy lalovay efa nafangaro. Aroina mora dia tao anaty lasitra efa voahomana

- Atao masakevoka (au bain marie) avy eo : 
*** somary atao latsaka kely ny antsasaky ny lasitra ny rano anaty vilany ary ampangotrahana mialoha. 
*** Alefa ao lasitra misy ny mofomamy.
*** Asiana vain’afo ambony takotra fa raha tsy manisy anio dia somary asiana "serviette" kely aloha eo ambony vao saronana. Masaka rehefa tsindronina ny antsy ka tsy misy paty manta manaraka (eo amin'ny 30 minitra eo)

- Atsonika "bain marie" ny sokola nasiana dibera kely, aroina, ary araraka ambonin'ny mofomamy, izay vao fafazana "sucre glace" kely.

Vetivety kely dia vita sady tsy manahirana no tsy dia mandany.

Nahandro sy sarin'i Holy Elia Tianjanahary

Catégorie: