Gilasy goavy

671

GLACE A LA GOYAVE - Gilasy goavy 

ZAVATRA ILAINA :
Goavy 500g
tamenak'atody 3
ronono 1/4L
siramamy 250g
cacao 2sotro fihinana
parfum coco 1/2 sotrokely

FIKARAKARANA AZY :
- Andrahoina ny goavy manontolo (esorina ny loha sy vodiny) , mangotraka 10minitra dia avela fa tsy tanehina ela
- "mixer"-na na atao "moulin" dia mahazo purée, avela hangatsiaka
- Ampangotrahana ny ronono.
- Kapohana ny tamenak'atody sy siramamy, rehefa fotsifotsy dia arotsaka ao ny ronono, afangaro tsara dia ataingina ambony afo malefaka ary aroina tsy mijanona mandra-pateviny.
- Kapohana mandra-pangatsiakany, arotsaka ao ny "purée de goyave", aroina hifangaro tsara
- rehefa izay, dia zaraina 2 araka izay tiana : ny 1 nasiana ilay cacao, ny 1 kosa nasiana ilay hanitra "coco"
- saromanana tsara dia ampidirina "congélateur" 8ora na mandritry ny alina, avoaka dia haingoana amin'izay.
- Haingony : raozy hoditra goavy, lavanila, solila, bonbon

Mazotoa o
Nahandron'i Lah Randria 

 

Catégorie: