Glace yaourt melon vert

Portrait de Angie
1051

Miarahaba am-pifaliana
 

GLACE YAOURT MELON VERT

mba mangatsiatsiaka indray no zaraina ho antsika anio 

ZAVATRA ILAINA :
 

Melon vert (1/2)

yaourt nature 2

crème liquide 150 ml

tantely 4 sotro fihinana

colorant bleu 4 mitete

colorant jaune 3 mitete

 

FIKARAKARANA AZY:
 

- Tetehana madinika na loharana amin'ny sotro voatokana ny melon ary atao anaty bol. Afangaro amin'ny tantely dia potehana amin'ny "mixeur"

- Arotsaka ao ny yaourt sy crème liquide avy eo, dia mixer-na indray.

- Atao anaty boaty mahazaka mangatsiaka avy eo.

- Aroina isaky ny 1ora mba tsy hitambaingna toy ny kristaly.

- Maka ramequin dia alefa ny "bille de melon" na melon voatetika, asiana boule de glace melon eo amboniny, farany, rarahana coulis de chocolt kely.
- Afaka atao amin'ny "moule à esquimaux" koa ilay izy vao avy nopotehana amin'ny mixeur iny. Dia miandry azy hivaingana, dia vonona.

 

Nahando sy sarin'i Vero Randriam 27/08/2017

 

 

 

Catégorie: