Godrogodro 1

792

ODY AM-BAVA FO: GODROGODRO - 1

Miarahaba 
Efa maro ny ''recettes'' godrogodro ato, fa ny mampiavaka an'ito manaraka ito dia vary tsy mitoto no ampiasaina.

Zavatra ilaina:

Vary mena 3 kapoaka
Rano 12 kapoaka
Siramamy 1/2 kilao na latsaka kely
Sira kely
Voanio 1
vovoka kanelina (poudre de cannelle)
Menaka kely

Fikarakarana:

Alona adiny 3 eo ho eo na mahery ny vary. Kikisana ny voanio ary arotsaka aminy ny rano matimaty na mafana 12 kapoaka dia tsihifina ahazoana ranony.
Maka siramamy eo amin'ny 2 sotro eo dorana manokana anaty vilany, rehefa caramélisé tsara dia tampohana rano kely.
Rehefa vita izay rehetra izay dia afangaro anaty zavatra iray ny caramel, ny ranom-boanio, ny vary efa notsihifina, ny siramamy sy ny sira kely, ary ny kanelina
Afanaina ny menaka, rehefa mafana dia arotsaka ny fangaro ary aroharoina tsy ankijanona rehefa mangotraka elaela mba tsy hiraikitra, izany dia mandrapaha madity tsara azy.
Asiana afo ambony ambany avy eo. Tsatohana antsy ka rehefa tsy misy manaraka intsony dia vita.

Mazotoa e!!!

Nahandon'i Bearema Anaydel
 

Catégorie: