Gogo aux 4 épices

Portrait de Angie
605

GOGO AUX 4 EPICES ET HARICOTS VERTS AUX GRAINES DE SESAME 
 

Zavatra ilaina

hoan'olona 4
tantely 1càs,
saosy soja 2càs,
4 epices 1càc,
Tongolo gasy hasiny 2,
Gogo tranche 4,
haricot vert 500g,
menaka 2càs,
sesame 2càs,
sira,
voasary makirana 1

 

Fikarakarana

Afangaro ny tantely, saosy soja, 4epices, tongolo gasy voatoto, sira.
Arotsaka ao ny trondro avy eo dia avela hilona kely 15 minitra
Andrahoina amin'ny entona ny haricot vert , mety koa raha ampangotrahina kely
Maka lapoaly dia endasina maina ao ny sesame, esorina avy eo
Arotsaka anaty lapoaly ilay menaka dia alefa ao ny trondro nilona ka avadika afaka 5mn dia toy izay koa ny lafiny iray,
Ampiana rano kely tokony ho 4 càs dia arotsaka ny haricot vert, aroina moramora,
Esorina ambony afo dia arotsaka ilay sesame.
Rarahana ny ranon'ilay voasary makirana avy eo dia vitaaaaaaaaaa

Mirary antsika hazoto homana daholo

Nahandron'i Aina Rakotoarisoa

Catégorie: