Gratin de macaroni

1017

SAKAFO FENO: GRATIN DE MACARONI - pasta al forno 

ZAVATRA ILAINA: 
- macaroni (ilay miendrika coquille eto)
- jambon
- nofon'akoho
- fromazy
- kotomila
- potimofo "chapelure"
Anaovana ny sausy "bechamel": 
- dibera
- lafarina
- ronono

FIKARAKARANA AZY:

Mampangotraka rano dia asiana sira, arotsaka ny macaroni ka rehefa masaka "al dente"dia tsihifina tsara
Tetehina majinika ny nofon'akoho dia endasina kely amin'ny dibera (asiana sira sy dipoavatra na épice izay tiana sy mahazatra), tetehina ny jambon, kikisana vaventy ny fromazy, tetehina ny kotomila. Afangaro anaty bol lehibe iray ireo rehetra ireo.

Asiana ambiny hatao eo amin'ny fanamboniny ny jambon sy fromazy.

Manamboatra ilay saosy bechamel amin'izay rehefa vita ireo : atsonika ny dibera, alefa ny lafarinina, afangaro tsara ka rehefa somary miova loko dia alefa tsikelikely ny ronono, atao amin'ny afo malefaka tsara ary haroharoina tsy ankijanona amin'ny "fouet". Atao marihitra tsara. Asiana sira ihany koa. Afaka mampiasa epice hafa raha tiana.

Arotsaka anatin'ilay fangaro natao tetsy ambony (macaroni sns) ny saosy, afangaro tsara, alefa anaty lasitra efa nosorana dibera kely, rakofana saosy ny fanambonin'ireo rehetra ireo rehefa vita anaty lasitra, ary araraka farany maharakotra azy tsara ny ambin'ny jambon sy fromazy ary ny potimofo efa natokana tetsy ambony. (afaka tsy asiana potimofo fa iny mba mikarepoka raha tiana)

Atsofoka anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180° ka eo ho eo amin'ny 15 minitra eo dia vita.

Mazotoa jiaby!

Nahandron'i Minosoa Raoniarimanga
 

Ingrédients: 
Catégorie: