Gratin de pomme de terre

1110

 SAKAFO MAHALEO TENA: GRATIN DE POMME DE TERRE- OVY ANATY LAFAORO (na vilany)

ZAVATRA ILAINA:

- Ovy 6 voasana ary tetehina boribory manifinify (sary 1)
- "Moutarde à l'ancienne" iray ny sotro fihinanana. Izany hoe ilay misy voany madinika be dia be
- Tongolo be iray voavaofy ary tetehina
- "Crème fraîche" indroa ny sotro fihinanana feno be
- Ronono iray vera (10cl eo ho eo)
- Fromazy mafy voakiky indroa ny tanana (Gruyères na Emmental)

FIKARAKARANA AZY:

- Atao anaty lasitra azo ampidirina lafaoro ireo ovy manta voatetika.
- Arotsaka miaraka amin'ireo ovy ny tongolo be voatetitetika tsy kely loatra.
- Osorana ilay "moutarde. Afangarongaro amin'ny tanana mihitsy amin'izay miparitaka tsara (Sary 2). Eo ihany koa no hanararaotana anasiana ny sira, kelikely ihany sy ny dipoavatra.
- Avy eo, atao tahaka izay koa ny "crème fraîche". (Sary 3)
- Arotsaka avy eo amin'ny sisiny ny ronono mba tsy hanala ireo "moutarde" sy "crème fraîche" voahosotra. (Sary 4)
- Apariparitaka eo ambony ny fromazy voakiky eran'ny tanana. (Sary 5). Asiana dipoavatra ihany koa.
- Ampidirina ao anaty lafaoro efa nanomboka nafanaina 220°, mandritra ny 45 minitra (tombana)
- Arahina maso tsara ka rehefa mahazoazo loko dia ahena 180°. Tohizana elaela amin'izay malemy tsara ny ao anatiny.
- Ka 10 minitra aloha ny hiafarany dia anaparitahana fromazy voakiky eran'ny tanana indray koa.
Raha ny tokony ho izy dia malemy tsara ny ao anatiny ("crémeux" sy "moelleux") (Sary 5). Ny eto ambony kosa mikarepoka.

FANAMARIHANA.

- Raha toa ka tsy manana lafaoro dia ataovy lafaoro gasy :

vilany ngezangeza no ampiasaina dia avadika ny takotra, asiana saribao mirehitra tsara eo amboniny. Jerena matetika tsara ilay nahandro satria tsy fantatra ny maripana.

Ny mahatsara ny lafaoro gasy dia tsy mafy loatra ny hafanany hany ka tsy manala loatra ireo otrikaina ao anaty sakafo.

Nahandro sy sarin'i Joelle Philippe 19.01.18

 

Catégorie: