Hamburger - lafaoro gasy

434

HAMBURGER AU POULET ET AU FROMAGE 

natao tamin'ny lafaoro gasy moa izany izy ity 

ZAVATRA ILAINA ho an'olona 10 :
Ho an'ny mofo :

lafarina 500 g
siramamy 25 g
"levure boulangere" 25g
dibera malemy 30 g
sira 10 g
ronono 250 ml
rano 130 ml
atody 1
"sésame"

Ho an'ny sesika :

nofon'akoho 250g
fromazy gasy boribory
mayonnaise
tongolo voatetika boribory sy nalona
voatabia voatetika boribory

FIKARAKARANA :

- atambatra daholo ny fangaro rehetra voalaza etsy ambony! Avela 1ora hatramin'ny 2ora amin'ny toerana mangatsitsiaka na saramona lamba mandomando
- Atao boribory maka endrika "hamburger", avela hilon indray 45 minitra - Asiana tapotsiny atao "dorure" ( Tsy voatery tamenany foana akory) dia rarahana "sésame" eo ambony

FAHANDRO AZY:
- Four gasy hatrany! Cuisson: 15 mn! . Raha lafaoro gasy no nampiasaina, izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . 
- Four vazaha: 175°C mandritry ny 15minitra ihany

- Rehefa masaka dia zaraina 2 ny mofo dia asitrika ao ny fromazy nofisahana, ny nofon'akoho efa masaka sy efa voaendy mialoha, ny "mayonnaise", ny tongolo efa nilona vinaigitra, ny voatabia voatetika. Adino teto ny salady fa tsara foana ny tsirony!

Mazotoa o 

Nahandron'i Tatie Nix