Hazo noely saosisy

889

HAZO NOELY SAOSISY

ZAVATRA ILAINA

Pate feuilletée 1 efa vita
atody 1
saosisy lehibe 3 (wurstel)

FIKARAKARANA AZY
 

Velarina ny “pate feuilletée” ary apetraka ny saosisy dia fonosina toy ny tsihy ary atao mitambatra tsara mba hipetaka tsara
Tetehina avy eo tokony 1,5sm na 2 sm eo  dia manao sary hazo noely alahatra ambony lasitra efa nasiana taratasy mandeha lafaoro na hoe “papier cuisson”.
Kapohana ny atody dia lalorina tsara ny hazo noely mba hitambatra sy ho mena tsara avy eo
Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C,15-20 minitra eo rehefa menamena tsara dia vita.

NB: somary mibotsina izy ity rehefa ao anaty lafaoro fa rehefa vita dia mihena ihany 

Mazotoa o

Andry Mamina

 

Catégorie: