Henabaolina italiana

551

ITALIAN MEATBALLS (Boulettes de viande à l'italienne) 

Zavatra ilaina:

- totonkena 500g
- thym, romarin, tongolo gasy, sakamalaho
- sira sy dipoavatra
- tongolo be iray
- voatabia 3
- chapelure 100g
- atody iray

FIKARAKARANA :

- Afangaro ny totonkena, chapelure, atody, thym sy romarin voatetika, sakamalaho, tongolo gasy, sira ary dipoavatra
- Atao boribory ny fangaro ary apetraka anaty lasitra fanao anaty lafaoro
- Andrahoina anaty lafaoro 220°C mandritra ny 20 minitra
- Maka lapoaly lalindalina
- Hafanaina ny menaka 3 sotro lehibe dia arotsaka ao ny tongolo be voatetika
- rehefa mivolom-bolamena dia apetraka tsirairay ny hena baolina ary arahana ny voatabia voatetika avy eo.
- Saromana dia avela hiketrika mandritra ny 10 minitra afo malefaka

Mazotoa o 
Nahandron'i Voahangy Treves

 

Catégorie: