Henabaolina mahagaga

385

" OEUF ECOSSAIS"  na "œuf surprise" na "boulette surprise"
karazana henabaolina izy ity fa ny maha samihafa azy dia ilay sesika ao anatiny tena hafa kely 

Zavatra ilaina:

Toton-kena omby 1/4kg, atody4, kotomila, tongolo ravina, tongolo gasy kely, lafarinina 4 na 5sotro fihinanana, ronono masaka kely mba ampifangaro an'ilay lafarina sy toton-kena,sira, menaka anendasana azy.

Fikarakarana azy:

Andrahoina amin'ny akorany ny atody ary avy eo alana ny akoran'atody dia atokana aloha.

Tetehana madinika ny kotomila, tongolo maitso, dia afangaro amin'ny toton-kena, sy ny tongolo gasy voatoto.

Arotsaka ny lafarina, ronono.

Volavolaina amin'ny tanana hifangaro tsara, aza adinoina ny sira.

Rehefa mifangaro tsara ireo dia alaina ny atody ka fonosina amin'io.

Vita izay, dia ampandalovina lafarina ny manodidina azy, izay vao endasina.

Andramo fa tsara be sady tian' ny ankizy be.

Mazotoa homana.

nahandron'i Hanitra Elysa Ramaminirina 

Catégorie: