Henomby sy saosy voanjo

794

LAOKA SAOSY : HENOMBY SY SAOSY VOANJO

ZAVATRA ILAINA:

Henomby 1kg
voanjo voatoto  2 sotro (boaty)
tongolo be 3
voatabia 1
sira
menaka oliva

FIKARAKARANA AZY:

Sasana ny hena dia arotsaka ao anaty vilany amin’ny ranontsasany , rehefa ritra dia ampiana rano kely iray vera
rehefa ritra io rano io dia asiana menaka kely dia arotsaka ny voatabia sy ny tongolo voatetika ary asiana sira avela ho masaka kely
arotsaka ny voanjo voatoto 2 sotro dia avela hifandray ny tsiro ary asiana rano iray vera farany dia avela hiketrika  25 minitra vao esorina ambony afo.
Aroso amin’ny vary sy lasary

NB: ilaina io 25 minitra io raha vao manao sakafo misy voanjo fa manjary mety mankarary kibo

Mazotoa o 

Catégorie: