Jus de mures

801

RANOM-BOANKAZO : JUS de MURES (VOAROY HAZO)

Vokatra izao ny voaroy dia manararaotra e! Tsy sarotra no sady matsiro, zaraiko ihany na dia be mpahay

Zavatra ilaina : (mahavita 3L)

Voaroy 1kapoaka na 2 pots yaourt
voasary makirana 1 lehibe
Rano 3 litatra
Siramamy 12 sotro

Fikarakarana azy :

- Totoina ny voaroy amin'rano kely
-Tantavanina avy eo , ary ampiana ranom - boasary makirana, asiana siramamy dia vita
- Afaka asiana "glaçon" anaty vera rehefa hisotro

Ny faikany mbola afaka afangaro amin'ny "salade de fruits" na yaourt

Mazotoa o !

 

Nahandron' Lah Randria

 

 

Ingrédients: 
Catégorie: