Kabaro à la vinaigrette

674

 

Kabaro à la vinaigrette - salady kabaro

ZAVATRA ILAINA:
---kabaro maina iray tanana
---poivron iray
---voatabia kely 4
---tongolo kely 4
---tongolo maitso madinika
---voasary makirana 2
---menaka oliva, sira, dipoavatra

FIKARAKARANA AZY:

---ketrehana halemy ny kabaro. Ampiana vinaigre 1 sotro kely ny rano ampangotrahana azy. Ampiana sira 4 tsongo ihany koa.
---rehefa hita fa malemy fa tsy avela ho potipotika dia tsihifinany rano dia voasina ny kabaro
---karakaraina ny saosy vinegrety: ranona voasary makirana 1 sy tapany, menaka 3 sotrokely, sira, dipoavatra, tongolo maitso voatetika, tongolokely voatetika
---notetehana mitokana ny poivron sy ny voatabia ary ny ambina voasary makirana
---napetraka teo ambony lovia ny poivron voatetika, ny voatabia voatetika ary ny kabaro
---norarahana ilay saosy vinegrety teo amboniny rehefa hohanina ilay sakafo
---nohaingona didina voasary makirana sy ravina basilic izy ny farany dia vita!

Mazotoa o

Nahandron'i Iangola Ny Aiko

 

Catégorie: