Kabaro saosy curry

721

LAOKA : KABARO MAINA SAOSY CURRY

Zavatra ilaina :

Kabaro maina izay sahaza 
Tongolo gasy voakiky 
Curry 
Sira 
Menaka 
Rano 

Fikarakarana azy : 

Nalona tamin'ny rano mangatsika tamin'ny alina iray manontolo 
Nandrahoko tamin'ny rano sy sira ka rehefa nangotraka dia nariko ny ranony 
Nandrahoko tamin'ny rano mandrapaleminy 
Rehefa izay dia naka vilany dia nasiko menaka kely dia nendasina ny tongolo gasy voakiky dia narotsako ny kabaro efa masaka mbola nisy roany. 
Nasiana curry dia Navelako nangotraka dia vita. 

Naroso niaraka tamin ny vary sy lasary voatabia ary sakay 

Mazotoa o

Catégorie: