Kabaro sy taovan-kena

672

Kabaro sy taovan-kena  

Zavatra ilaina:
kabaro 2 kapoaka
taovan-kena 1/2 kilao
vaoatabia 4 isa
tongolo (echalotte) izay ampy
menaka 
sira

Fikarakarana azy:

Sasana dia andrahoina ny kabaro,atao kelikely rano dia tapohana tsikelikely amin'izay mora masaka.
Sasana ny voatabia dia tetehina,voasana ny tongolo dia tsy tetehina fa avela amin'ilay izy boribory kely iny.
Tetehina ny taovan-kena dia sasana ary andrahoina mitokana amin'ny ranon-tsasany aloha.rehefa ritra io ranon-tsasany io dia harotsaka ilay voatabia sy tongolo ary atao mendimendy tsara. Rehefa hita fa mendimendy dia tapohana rano tsikelikely mandrapahamasany.
Jerena ilay kabaro hoe masaka, jerena koa ilay taovan-kena hoe masaka dia hafangaro amin'izay ary asiana sira,asiana menaka kely koa mba tsy ho mandry be na mipetraka kely aza vao haroso.
nataoko ketsaketsa ny ahy teto
Mazotoa o

Nahandron'i Anjara Fitiavana

 

Catégorie: