Kaofitiora loranjy

695

KAOFITIORA LORANJY (voasary)  - (confiture d'oranges)
 

ZAVATRA ILAINA : (antsasak'io fatra io ny azy eo amin'ny sary)

Loranjy 1,2kg
siramamy mahazatra 1,2kg na siramamy1kg raha ilay "sucre gélifiant" siramamy natokana hanaovana kaofitiora 

FIKARAKARANA AZY :

- sasana dia kikisana ny loranjy ahazoana ny kikina hodim-boasary, voasana tanteraka avy eo ny loranjy ka esorina hatramin'ilay hodiny fotsifotsy iny.
- Tetehana ny nofony ary lanjaina, dia ampiana siramamy mitovy lanja aminy (anaty koveta vy (bassine) no tena mety) sy ilay kikina hodim-boasary amin'izay fatra hitiavanao azy
- Andrahoina amin'izay eo amin'ny 15 hatramin'ny 25 minitra amin'ny afo mahery, ary aroina matetika mba tsy hiraikitra
- Hakana kely ny kaofitiora dia andrarahana amin'ny lovia madio, ianao ihany no mahita hoe mbola mitsiranoka be ve, sa efa mamikitra amin'ny lovia ? vita izy rehefa mamikitra sy mikoriana mora.
- Esorina sy ariana hatrany ilay somary mandroatra fotsy ambony iny.
- Atao avy hatrany anaty "bocal" efa nodiovina sy nampangotrahana tsara. Hidina ary ahohoka minitra vitsy.
- Averina amin'ny laoniny avy eo ary avela eo mandra-pangatsiakany tanteraka.
Azo tehirizina maharitra amam-bolana raha mbola tsy nisokatra.

Mazotoa o !

Nahandron'i Vero Randriam ary ny sary fampiharana kosa dia nataon'i Noro Tiana Fareze

 

Catégorie: