Kaofitiora voatavo

1036

Miarahaba indray o 
Fotoanan'ny voatavo dia manararaotra manao "confiture" ka dia mizara izany am-pifaliana

KAOFITIORA VOATAVO 
ZAVATRA ILAINA:

Votavo salasalany
Siramamy 1/4
Sakamalao mitovy amin'ny halavan'ny fanondro.
Vosary makirana 2 lehibe.

FIKARAKARANA AZY:

Voasana ny votavo, dia tetehina izay tiana. 
Alaina ny koveta jobo dia atao ao ilay votavo araraka ao ilay siramamy, ny tena tsara dia alona alina iray manontolo.
Rahefa maraina dia maka vilany sahaza azy dia atao ambony afo tsy asiana rano, afangaro ao ilay sakamalao efa voakiky ary tsy avela raha efa manome loko otran'ny amin'ny sary.
Avy eo asiana vosary makirana.
Atao anaty bocal efa nampangotrahana avy eo mba hadio tsara. 

FANAMARIHANA:

Raha tiana ho tehirizina maharitra dia vao feno ny bocal dia mila averina ampangotrana indray, izay vao ahohoka ka ny tapony atao ambany mandrapangatsiaka azy ary avela amin'ny toerana mangatsiaka amam-bolana. (tsy frigo akory)

Mahazotoa manandrana e

nahandron'i Sahondra Raheliarisoa
 

Ingrédients: 
Catégorie: