Karatoa

471

KARATON'AKOHO (gratton de poulet)

ZAVATRA ILAINA :
hoditr'akoho (ka tamin'ny foto-pe-ny ilay matavy iny no nakako azy)
sira
tongolo gasy hasiny 2 voakiky
menaka hanendasana

FIKARAKARANA :
Esorina amin'ny akoho ny hoditra matavy rehetra, sasana tsara
afangaro amin'ny sira sy tongolo gasy voakiky
Atao mahamay be ny menaka ampy mampitsingevana azy, dia endasina mandra-pikarepony tsara. Vita émoticône smile
Hohanina mafana.

Fanamarihana : Afaka atao toy io koa ny hoditra gana, hodi-kisoa.

mazotoa o 
nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: