Katilesy

799

LAOKA na TSAKITSAKY: CATLESS

Zavatra ilaina :
Purée de pommes de terre en flocons 
Rano mafana 
Toto-kena manta
Tongolo miantso
Tongolo gasy voatoto na voakiky
Atody 
Menaka anendasana 

fikarakarana azy :
maka lovia jobo dia atao ao ny « purée de pommes de terre » izay sahaza dia asiana sira sy tongolo maintso efa voatetika
Rarahana rano mafana mandrapaha levona ny flocons, rehefa levona tsara dia arotsaka ny totokena mbola manta sy ny tongolo gasy, afangaro tsara itambatra
rehfa mitambatra tsara dia maka tsikelikely dia volavolaina boribory dia avy eo somary fisahana hanome endrika katilesy
Asoka ao anaty atody efa voakapoka ary tonga dia endasina amin'ny menaka efa nohafanaina mialoha
marihina fa tsy nampiasa chapelure nefa tsy miparitaka 
Mazotoa

Nahandron'i Rama Daniella

 

Catégorie: