Katilesy soja

Portrait de Angie
747

LAOKA na TSAKITSAKY : BOLETY NA KATILESY SOJA 

Ilay faikana soja nanaovana yaourt no ampiasaina eto

Zavatra ilaina :

lafarina 200g eo ho eo tsy lany
Sardines 2 boaty
Atody 2
Sira, dipoavatra, muscade
Tongolo maitso
Kotomila
Tongolo gasy voatoto
Sakamalao voakiky

FIkarakarana azy : 

- Tetehana ny zava - maitso dia afangaro amin'ilay faikana soja
- kapohana ny atody dia afangaro ao koa
- potserina ny sardine dia alefa ao koa, ampiana sira sy dipoavatra ary muscade, afangaro
- alefa tsikelikely ny lafarina, tena izay hampitambatra ny nahandro fotsiny mba tsy ampiforetaka azy, volavolaina dia endasina

mazotoa o !

nahandron'iTsito'Salohy Ravelomanantsoa

 

Catégorie: