Katilesy trondro

958

LAOKA na TSAKITSAKY : KATILESY TRONDRO (CROQUETTE, CATLESS POISSON)

ZAVATRA ILAINA
nofon-trondro masaka 3 kapoaka eo
atody 2
sira, dipoavatra
tongolo 2 salasalany
tongolo gasy 
kotomila (tsy voatery)
poti-mofo vita an-trano
rano na ronono 2sotro
menaka hanendasana

FIKARAKARANA AZY:

- Afangaro ny nofon-trondro, atody 1, sira, dipoavatra, tongolo voatetika madinika, tongolo gasy voakiky, kotomila (tsy voatery)
- Volavolaina, dia atsofoka kely anaty "congélateur" 30 minitra na mihoatra kely mba ho mafimafy
- Afanaina anaty lapoaly ny menaka (1sm eo ny haavony)
- kapohana ny atody 1 sy rano na ronono 2 sotro, ampandalovina ao ny katilesy dia fonosina poti-mofo ary endasina amin'ny afo malefaka. Atsika tsara dia vita.

Atao laoka, na tsakitsaky miaraka amin'ny salady koa.

Mazotoa o!

Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: