Kebab au poisson

411

KEBAB AU POISSON 

ZAVATRA ILAINA

ho an'olona 4:
 

Wrap 4

lafarina 200g
rano 10 sotro fihinanana
menaka 3sotro
sira 2 tsongo

Atiny: 

nofon - trondro 200g
voasary makirana 2
"yaourt nature" 1
sira, dipoavatra, tongolo gasy hasiny 2
karoty 4 salasalany
"concombre" 2
voatabia 2
salady raviny 8
"cure dent"

FIKARAKARANA :

WRAP

* Afangaro ny sira sy ny lafarina voasivana dia arotsaka ny rano sy menaka, volavolaina hifangaro tsara ka tokony ahazo bolongana paty tsy miraikitra amin'ny tanana, avela hilona eo 30minitra.

* Fafazana lafarina ny latabatra dia zaraina 4 mitovy ilay bolongana paty, ka ny paty tsirairay dia kosehina hanify ary omena endrika boribory tokony ho 20cm ny savaivony

* Afanaina ny lapoaly, tsy asiana menaka fa avy dia alefa ao ilay paty, rehefa afaka 2mn dia avadika, dia toy izay koa ny lafiny ilany
Andrasana mangatsiaka vao asiana atiny.

Atiny :

* Afangaro ny yaourt + sira 2 tsongo, dipoavatra, tongolo gasy voatoto, ranom- boasary makirana 1 ary menaka 1 sotro fihinanana

*Tetehana lavalava ny nofon-trondro dia lomana sira , ranom-boasary makirana 1, dipoavatra dia avela hilona kely vao endasina

* Tetehana efamira madinika ny "concombre ", fiazana amin'ny "essuie tout " hitsika ny ranony
Kikisana lavalava ny karoty ary tetehana lavalava ny voatabia

* Alaina ilay wrap dia velarina eo amboniny ny ravin-tsalady efa voadio, apetraka eo amboniny ny karoty, manaraka ny "concombre" manaraka ny voatabia avy eo ilay nofon - trondro, rakofana ilay "sauce" vita tamin'ny "yaourt", avy eo dia ahorona toy ny amin'ny sary, tsatohana "cure dent" mba tsy hivoraka.
Aroso miraka amin'ny frity ovy

Dia mirary soa ho antsika rehetra hatrany e!

 

nahandron'i Aina Rakotoarisoa