Keft henabaolina

Portrait de Angie
1068

Miarahaba ny Mamina

Zaraina am-pifaliana hatrany ho anarareo mpanaraka ny site

 

TSAKITSAKY NA LAOKA: HENABAOLINA SY CHIPS - KEFT

 

ZAVATRA ILAINA

 

Totokena 1/4g Fahefany (hen'omby , hena kisoa, akoho ...izay tiana)
70g fonosana chips nature
Sira kely

Epices izay Tiana eto dia :

tongolo sy tongolo gasy sakamalaho kely carry dipoavatra

 

FIKARAKARANA AZY

 

Totoina ny chips na amin'ny robot na tanana Afangaro amn'ny totokena

Andramo ny sira, ary ampiana kely raha tsy ampy satria ny chips efa misy sira ihany

Ampiana izay epices tianao eto

endasina ny tongolo be voatetika sy tongolo gasy ary asiana carry sy dipoavatra

Volavolaina tsy dia atao boribory fa somary fisahana amizay mora masaka

Afanaina ny menaka atao mamay tsara Avadika dia esorina ambony afo fa kosa saronana ho masakin ny entona Azo atao loka na koa miaraka @ salades

 

 Nahandro sy sari'i Mary Lou 01.11.17

Catégorie: