Koba akondro

312

 

KOBA AKONDRO (KOBA RAVINA)

zavatra ilaina: 

- akondro masaka tsara 5
-250g kobam-bary na farine de riz 
-100g siramamy
-100g voanjo

Fikarakarana azy:
Potserina anaty kobambary ilay akondro voatetika. Hanajanony akondro 1 na 2 tetehina boribory atao haingony 
Arotsahy ny siramamy  izay tiana raha tsy dia mamy ilay fangaro
Asio rano kely raha hita fa maina loatra.
Tsy nanana ravin'akondro hamonosana azy aho dia nataoko anaty lasitra na boaty mahazaka mafana izay bikany misy,  eto dia forme ovale io..
Teteho boribory ny akondro dia alaharo amin'ilay lasitra na ilay boaty. Izay vao harotsaka ilay fangaro 
Atao bain-marie eo amin'ny 30mn na mihoatra mila jerijerena ny fahamasahany .

Mba hafa Kely lay misy haingony akondro boribory
Mazotoa DAholo

de Tess Rajaona

 

Catégorie: 
Matériels: