Koba katsaka

Portrait de Angie
523

KOBA KATSAKA 

Zavatra ilaina:

vovo-katsaka 2kapoaka,
akondro 1kg,
siramamy izay tiana,
ronono 1/2l,
ravina akondro (hamonosana azy, azo tonga dia atao amin'ny lovia)

Fikarakarana:

Afangaro anaty bol ny vovo katsaka, akondro nopotsehina, ronono, siramamy, rehefa mahazo paty marihitra dia fonosina (afaka ampiana ny ronono na rano raha mbola tsy marihitra)
Asalisaly ambony afo ny ravin'akondro rehefa voadio, dia iny no amonosana azy
Asiana karakara amin'ny hazo ao amin'ny fanambanin'ny vilany dia alahatra eo amboniny ny koba (jereo ny sary ), asiana rano 1l dia andrahoina mandritra ny 40 - 60mn

Mirary tontolo andro ahitampahombiazana ho antsika rehetra!

Nahandron'i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: