Koban-dravina misy voanio - godrogodro

470

GODROGRODRO na azo antsoina koa hoe "rice pudding au coco" ity na "koban-dravina misy voanio". 

ZAVATRA ILAINA :

- voanio 1 kikisana amin'ny ambozo no tena tsara
- Koba vary 1kg (raha tsy mahita dia vary totoina amin'ny "robot" dia tena atao mahazo vovoka malemy mihitsy
- siramamy 750g
- Karibonetra 1 sotrokely
- Ravin' akondro natonotono.
- Rano mangotraka hanaovana fandrahoana amin'ny entona.

FIKARAKARANA : 
1° - Ampangotrahana ny rano 5L dia alefa ao ny voanio voakiky dia avela milona kely 10minitra, ary tantavanina (filtrer) amin'ny lamba manify na amin'ny taty kafe. (Pour les plus courageuse sy mahatanty mahamay dia fihazana mafy mihitsy mba tena hivoaka ilay "lait de coco" matavy tsara)
2° - Afangaro anaty koveta ny koba sy siramamy 750g , ny karibonetra ary ilay lait de coco mafana 1L dia aroina tsara mahazo ny rihatry ny "pâte à crèpe". alona eo elaela adiny 1ora.
3- arotsaka tsikelikely isaky ny ravin' akondro ao anaty Kopy vita amin'izany ny koba.
4- Atao masak'entona (à la vapeur) 30-40minitra

Ny fanaovana azy dia mila omanina daholo ireo fitaovana hita amin'ny sary ireo satria andrahoana amin'ny entona ny koba. Manomana koa ravin'akondro ary asaly kely toy ny manao koban-dravina ihany izy ireo mba halefaka. Tapahina araka ny hita amin'ny sary mifanaraka amin'ilay kopy kely hihazona azy.

FANDRAHOANA :

Ampangotrahana ny rano amin'ny vilany ambany. Arotsaka ao anaty ravin'akondro ny koba ; tsy atao betsaka fa kely satria mitombo be. Atao anaty lasitra mifanaraka aminy ary apetraka eo ambonin'ilay rano mangotraka hanentona. Masaka ny godogodro rehefa afaka 30- 40 minitra eo. Mamy tsara sady tena tsirona godrogodro saingy tsy mifetafeta mandoto tanana.

Mazotoa o 

nahandron 'i Cotton Wood

 

Catégorie: