Kofta

724

KITONOTONO na LAOKA : BROCHETTES DE KOFTA na kefta

Zavatra ilaina :

totokena omby 750g
tongolo 1 voakiky
persily 30g voatetika
kotomila voatetika 2 sotro
cumin voatoto ½ sotrokely
muscade voatoto ½ sotrokely
cardamome voatoto ½ sotrokely
origan maina ½ sotrokely
solila maina ½ sotrokely

Fikarakarana azy :

- Afangaro avokoa ireo rehetra ireo dia avela hilona 1ora
- Somary lemana ny tanana dia volavolaina ho saosisy (kofta) 24 isa ny fangaro teo
- Atsatoka amin'ny tahona brochette ary elanelanina silaka voasary makirana
- Atono amin'ny fitonoana mahazatra na amin'ny « plaque » eo amin'ny 10 na 12 minitra eo, avadibadika.

Fanamarihana : 
Raha taho-masikita hazo no ampiasaina dia lomana anaty rano mandritry ny 30 minitra aloha vao atsatoka ny hena mba tsy ho may ny taho rehefa atono.

Maivana izy natono sur plaque nefa matsiro. Tsy matavy. Atono tsy asiana menaka, ny taviny totokena aza ahintsan'ny tono. Be otrikaina sy mitondra vokatsoa avy amin'ireo hanitra isan-karazany (oh: antioxydants). Araho tsara fotsiny ny torohevitra fa tsara be.

Epices Taf daholo ireo. Ny cardamome no tsy fantatro raha manana ry zareo (ny ahy tahirin'antitra novidiako teny amin'ny tsena karana). Legioma nendasina misy tongolo gasy kely no hitako fa nety nampiarahana taminy.
 

 nahandron'i Noro-Liva Rakotondrasamba notsongaina tanaty boky "La cuisine asiatique pour tous", édition Könnemann.

Catégorie: